Edito Pastoral
Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka; ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra. Gal 4:7
Fampidirana
Maro amin’izao fiandohan’ny taona izao ireo karazana firarian-tsoa ifanaovan’ny olona. Voalaza amin’izany matetika ny Fahasalamana, ny Asa ny Fiainan-tokatrano. Ny tena zava-kendrena indrindra amin’ireo firarian-tsoa ireo dia ny hananantsika fahasambarana, ny hahatonga antsika ho tena “zavatra”?
Teo amin’ny Jiosy dia nisy firariantsoa toy izao: “Ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny Fiainana anie ny anaranao”.
Raha jerena akaiky ity Gal 4,4-7 ity dia misy firarian-tsoa azo raisina ho amin’izao fiandohan’ny Taona izao: “Ho mpiara-mandova amin’i Kristy anie ianao”.
Izany no zavatra kendren’Andriamanitra ho antsika. Ho mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy isika. Sady efa nataon’Andriamanitra rahateo izany.
Fa rehefa tonga ny fotoan’andro
Ny fotoan’andro dia ny fotoana izay nofidin’Andriamanitra hiavian’i Jesosy amin’izao tontolo izao. Efa nisy nandaharan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka rehefa tonga izay fotoana izay dia nirahiny ho ety amin’izao
tontolo izao Jesosy mba hahatanteraka ny fananganan’anaka.
Tsy mpanompo intsony ianareo fa zanaka (and 7)
Zava-dehibe no aterak’izany eo amin’ny fiainantsika satria ny zanaka dia mpandova. Misy fiantraikany lehibe sy fahasamihafàna lehibe izany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra :
Ny zanaka dia olona afaka manao amin’- ny fitiavana, lovany no karankarainy. Fa ny mpanompo (andevo) kosa toa voatery manao tsy misy fahafahana, mangidy fo eo am-panaovana.
Manompoa toa ny zanaka.
Nanao ahoana ny fitiavantsika ny asan’Andriamanitra tamin’iny lasa iny? Nanompo tam-pitiavana ve isika sa nanompo an-tery ka nanao izany tamin’ny fimonomonomana sy fangidiam-po? Mbola maro indray ny asa miandry antsika amin’ity taona vaovao 2007 ity.
Noho ny fitiavany, dia nomen’Andriamanitra antsika indray izany taona izany, mba ianarantsika manompo toy ny zanaka ka hanao ampitiavana sy am-pifaliana mandrakariva ny fanompoana atolony antsika. Hiasa mahery ao am-pontsika anie ny Fanahy maha-zanaka, mba hahaizantsika manome voninahitra Ilay nandray antsika ho zanaka.
Pasteur Seth RASOLONDRAIBE