Thème vendredi
« Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafi antsika ny fi adian’ny mazava. » (Rom 13,12)
Efa nambara tamintsika vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA Paris fa manomboka amin’ity volana febroary ity dia hotohizana indray ireo fotoana fanaontsika isaky ny Azoma. Ary ezahana hatevenina aza izany satria ny Azoma faharoa, fahatelo ary fahaefatry ny volana no hanatanterahana izany.
Ny foto-kevitra araka ny Soratra Masina iorenan’ireo Azoma ireo dia tsy miova fa izay efa voalazantsika hatramin’izay dia ny hananan’ny Tenin’Andriamanitra ny toerana sahaza azy eo amin’ny fiainan’ny tsirairay sy ny fi anakaviana ary ny fi angonana manontolo. Hoy mantsy ny Tompo: “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jao 15,7).
Ahoana izany hoe mitoetra ao anatintsika ny Tenin’i Jesosy?
Ny lohatenin’ilay boky iray izay no azo hamaliana io: “Inona no
ataon’i Jesosy raha Izy no eo amin’ny toerako?” (Que ferait Jésus à ma place?) izany hoe, eo anatrehan’ny toe-javatra iray inona no tokony hataoko ? Ka hoy ilay mpanoratra ity boky ity hoe : Izay ataon’i Jesosy raha eo amin’ny toerana misy ahy Izy no tokony hataoko.
Raha mandinika ny fi ainana sy ny fi tondran-tenan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara isika dia hahamarika fa tsy nanao afa-tsy izay lazain’ny Soratra Masina sy izay mifanaraka amin’ny Soratra Masina Izy. Ao amin’ny filazantsaran’ny Mat 4,1-12 ohatra dia miverina matetika ny hoe : « fa voasoratra hoe… ».
Noho izany ny atao hoe itoeran’ny tenin’Andriamanitra dia izay olona tena miaina izany ary tsy misy mibaiko ny fihetsiny sy izay ataony afa-tsy ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Koa raha tiantsika tokoa ny ho mpandresy tahaka ny Tompo dia tsy maintsy omentsika ny toerana sahaza azy ny Tenin’i Jesosy eo amin’ny fianantsika.
Koa atao ireo Azoma eto amin’ny FPMA Paris ireo mba hahatonga antsika “Ho kristiana Mpandresy”.
AZOMA FAHAROAN’NY VOLANA : MANDRESY NY FITSITOKOTOKOANA SY NY FISARATSARAHANA
Hisy fotoam-pivavahana arahina fandraisana ny fanasan’ny Tompo isaky ny Azoma faharoan’ny volana. Sokafana
ho an’ireo rahalahy sy anabavy eto amin’ny Ile de France ny fotoana mba hikolokoloana ny firalahianan’ny samy
vahoakan’Andriamanitra. Noho izany, natao koa ireo mba handresena ny fi saratsarahana ka ho fo iray sy vava
iray no ho entin’ny mpino eto amin’ny Région parisienne miara-mankalaza an’Andriamanitra na dia samy manana ny
toeram-pivavahany aza.
Tsy isalasalana ny itenenana etoana fa raha misy zavatra izay tena mahafaly ny fon’ny Tompo dia isan’izany ny fahitana ny vahoakany miombona amin’ny Fanasana Masina. Hoy Jesosy “ataovy izany ho fahatsiarovana Ahy”. Koa izay mahatsiaro an’I Jesosy tokoa amin’ireo fotoana ireo dia manaisotra na miala amin’izay tsy ankasitrahany: fisarahana, fankahalana, avonavona, tsy famelana heloka, ets. Koa manainga antsika hitondra am-bavaka ireo
fotoana ireo isehoan’ny voninahitr’i Jesosy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny Idf.
AZOMA FAHATELON’NY VOLANA : AZOMA HO AN’NY FIANAKAVIANA NA NY FITAOVANA ENTINA MANDRESY
Inona ny fi taovana entina mandresy? Hoy ny Apostoly Paoly ao amin’ny Rom 13, 12-14: “12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafi antsika ny fiadian’ny mazava.13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny fi lalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fi jangajangana, na amin’ny fi jejojejoana, tsy amin’ny fi fandirana, na amin’ny fi alonana.14 Fa itafi o Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny fi lany”. “Mitafy ny fi adian’ny mazava”, izany no fi taovana ho entina miady ary io no iarahantsika mandinika isaky ny Azoma fahatelo natokana ho an’ny fi anakaviana.
Eo anivon’ny fi anakaviana mantsy no ianarana voalohany ny fi raisan-tsaina sy ny fi raisam-po ka noho izany dia eo koa no ianarana mandresy. Ny sary ampiasain’i Paoly eto amin’ny Rom 13,12-14 eto dia ny akanjo na lamba
esorina sy lamba itafi ana ka hoy izy: “
koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafi antsika ny fi adian’ny mazava”. Raha izao fi lazana izao ihany anefa no jerena dia mety miteraka fahadisoankevitra satria toa ohatran’ny fi tafi ana ivelany fotsiny ny fi adiana. Ny and 14 dia manazava tsara hoe: “Fa itafi o Jesosy Kristy Tompo”. Noho izany, io fi tafi ana io dia tsy ivelany fotsiny fa fi tafi ana izay manafy antsika avy ao anaty mihintsy satria ao amintsika Jesosy ka lasa ny toepon’i Jesosy no toem-pontsika, miaramitempo amin’ny fony ny fontsika, ary ny fahazavany no fi adiantsika.
Noho izany dia atao ny Azoma fahatelo ho an’ny fi anakaviana mba ianarantsika mitafy an’i Jesosy ka tsy ho fi tafi ana ivelany fotsiny fa ho fi tafi ana ao anaty ka ho voatafy ny fi adian’ny mazava isika
AZOMA FAHAEFATRY NY VOLANA : AZOMA HO AN’NY TANORA: NY FIAINAN’NY MPANDRESY.
Zava-dehibe eo anatrehan’Andriamanitra ny fandresena. Mampalahelo ny fi ainan’ny kristiana tsy mba mahita izany fandresena izany eo amin’ny fanarahany ny Tompo.
Isika anefa dia nantsoina ho mpandresy: mandresy ny fakam-panahy isankarazany, mandresy ny fo lentika sy ny tsy
fananana fahalemem-panahy, mandresy ny fahatezeram-poana sy ny fahasikana, mandresy ny tsy fahamarinana sy ny tsy fahamasinana, ets.
Hita eo amin’ny fi fandraisana isankarazany eo amin’ny fi araha-monina ireo fandresena ireo: Fifandraisan’ny mpivady, fi fandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka, fi fandraisan’ny mpirahalahy na mpianadahy.
Ny Azoma fahaefatra no iarahantsika mandinika lafi ny vitsivitsy amin’ireo mba iainantsika fi ainam-pandresena
isan’andro.
Samia mahatsiaro am-bavaka ny fotoana rehetra ho voninahitry ny Tompo Jesosy.
Pasteur Seth RASOLONDRAIBE