samedi, 03, Jui, 1:53 PM

FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Alahady 28 Mey 2023
PENTEKOSTA 


 Feon-java-maneno 

FANATREHANA SY FIDERANA NY TOMPO

ANTOKO MPIHIRA

Salamo 104

 Hira  : 267 and. 2, 3, 4 (‘’Ny Fanahy karankaina’’) )

2. Ny fanahy karankaina
Misy rano velona,
Fa Jesosy andon’aina
Manome fiainana !
Velona ny jentilisa,
Ny tany hay dia tonga Paradisa ;
Marobe no efa voaisa
Handray ny lova masina !

3. Misy lalana mizotra
Izay mankao Ziona re,
Any no mitanjozotra
Ny vahiny marobe ;
Ka Ziona dia mivoha
Hidiran’ny navotan’ny Tsitoha ;
Ao no ivorian’ny mifoha,
Fa an’ny Tompo lehibe !

4. He, mikambana ny mino
Amim-pifaliam-be,
Ka ny hobiny maneno
Tahaka ny rano be !
Ao mitovy avokoa
Tsy misy tompo sy mpanompo koa ;
Eny, razana iray tokoa
Ny mponina ao Ziona re !

Vavaka fihaonana 

SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

FIAIKEN-KELOKA

Mpitarika: (Vavaka)

Fiangonana :   « Ry Rainay be Famindram-po ô, mitalaho aminao izahay ; Mamelà ny helokay ; Diovy izahay ho afa-pahotana ; Sasao izahay ho afa-keloka ; Ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i Jesosy Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »

Hira :   

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !

TENY FAMELAN-KELOKA 

(Teny famelan-keloka)

Fiangonana :   Amen

Mpitarika: Voninahitra any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.

  Hira :  194 and. 3 sy 4 ("O, ry Fanahy Masina ")

 

3. Ô, ry Fanahy Masina
Izay mitarika anay
Hanetry tena sy hanaiky
Fa mpanota izahay ;
Mitaona sy mananatra anay
Handray ny avotra
Ka manamasina anay,
Mba raiso ny fisaoranay !

4. Ny voavonjy mbamin’ny
Anjely mankasitraka ;
Ny tany sy ny lanitra
Mikambana hanandratra
Anao, ry Ray sy Zanaka,
Anao Fanahy Masina
Izay maneho famonjena
Feno fitiavana !

Feon-java-maneno

FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  Hira:  177, and. 1, 4(“Ry Fanahy Mpanazava") 

1. Ry Fanahy mpanazava,
Mitariha anay izao
Hianaranay ny Teny
Zay nampanoratinao !
:.: Dia hifaly
Izahay tarihinao:.:

4. Ry Fanahy mpanazava,
Ny Baiboly taminao
Dia fanilo sady toky
Hanatonanay Anao ;
:,: Mba tsilovy
‘Zay miankina aminao ! :,:

Mpitarika : Ho aminareo anie ny Tompo

Fiangonana :   Ary ho amin’ny fanahinao

Mpitarika :   Vavaka fitsilovana ho an'ny ankizy sy ny Teny

ASAN'NY APOSTOLY :       Asan’ny Apostoly 2 and. 1 - 11

1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?

EPISTILY I Korintiana 12, 3 - 13

3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. [* Gr. anatema] 4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan'] 8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] 11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. 12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika]

FILAZANTSARA :  Jaona 20, 19 - 23

19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. 20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany. 

Fiangonana : Isaorana anie Tompo noho ny Filazantsara!

FANEKEM-PINOANA

Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin ‘ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an- danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan- keloka , ny fitsanganan ‘ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay . Amena.

Hira183 and. 1, 2 (" Midina, ry Fanahy ô") 

1. Midina, ry Fanahy o,
Midira ao anaty fo !
Ampio ny mihafy,
Fa Ianao no mpanome
Ny to sy fahazavana be ;
Na vavanay sokafy
Izao hanao
Saotra tsara hanambara
Ny Mpamonjy !
Fa satria voavonjy

2. Ka raha re ny Teninao
Dia mba avia, hazavao
Ny hevitry ny Teny,
Mba ambaraonao aminay
Ny fomban’ny Mpanavotray !
Lazao ny famonjeny
Izahay izay
Vory eto, andreheto
Jiron’aina
Hialàn’ny haizin-tsaina !

TORITENY

FEON-JAVA MANENO

ANTOKO MPIHIRA

BATISA

Hira :  246 and. 1, 4 ; 645 and. 4

1. Zazakely entinay
mba hatao batisa izao,
Izy no atokanay
Sy atolotray Anao.

4. Ry Jehovah be fitia!
Ry Jesosy Tomponay!
Ry Fanahy koa, avia
Mba handray ny zanakay!

645 and. 44.

Ry Jeso Kapiteninay,
lzao anio izao
No hanavaozanay indray
Ny fanompoana Anao :
Atolotray Anao tokoa
Izao tenanay izao
Ka hamasino avokoa
Hanao ny sitrakao !

 

FANDRAISANA KATEKOMENA

FILAZAN-DRAHARAHA

RAKITRA

Hira :  448, 295 (feo 630), 443, 471, 753

Hira fanolorana

Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
 Atolotray Anao izao ;
 Mba raiso ka tahionao. Amena.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Hira :  F.F. 22 (‘’Tsy mendrika ahy mpanompo’’) 

Tsy mendrika ahy mpanompo
Ny atao hoe  » zanakao  »
Kanefa lanao, ry Tompo
No niantso ahy izao
Izay manatona Ahy
Tsy ho laviko, hoy lanao
Dia tamy aho ka sahy
Nanatona anao

Ianao no Madio
(Mba diovy aho re)
Ianao no Marina
(Mba hamarino aho re)
Ianao no Masina
(Mba hamasino aho re)
Tsy mendrika hitsimpona
Ny latsaka amin’ny latabatrao aho
Kanefa, hoy lanao :
« Izay manatona Ahy
Tsy ho laviko mihitsy »
Noho ny teninao, noho ny teninao
Dia sahiko ny manatona

Ianao no Madio
(Mba diovy aho re)
lanao no Marina
(Mba hamarino aho re)
Ianao no Masina
(Mba hamasino aho re)
Mba diovy aho re
Hamarino aho re
Mba diovy aho re
Mba hamarino re
(Hamarino aho re)
Mba hamasino re
(Hamasino aho re)
Mba diovy
Hamarino
Hamasino re.

Mpitarika :  Ho aminareo anie ny Tompo ! Aoka hizara ny fiadanana isika

Fiangonana : Ho aminao anie ny Tompo ! Ary ho aminao koa

Sursum Corda   (Mitsangana)

Mpitarika : Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo

Fiangonana : Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo

Mpitarika : Aoka ho deraintsika ny Tompo Andriamanitra

Fiangonana : Mendrika ho deraina Izy

Préface  (Mitsangana)

Mpitarika: Eny tokoa Tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny  zavatra rehetra, mety sy mahavonjy ny isaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay ; amin’ny alalany koa no ideran’ny anjely ny fiandriananao sy itsaohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra Anao amin’ny tahotra ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny Anaranao amin’ny fihobiana ary izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay aminy, ka amin’ny fanajana lehibe no ideranay hoe :

Hira :    Antema 1  ( Sanctus )

Masina ! Masina ! Masina Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao izao rehetra izao ry Tompo ô ! Amena

Vavaka  ( Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse )  (Mipetraka)

Mpitarika :  Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy Izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy hivavaka :

Misaotra anao izahay Andriamanitra Rainay, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindram-ponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.

Fiangonana : Efa maty Kristy, efa nitsangana Kristy ary ho avy amim-boninahitra.

Mpitarika : Noho izany ry Tompo, Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.

Fiangonana :      Amena, avia Jesoa Tompo !

Mpitarika : Ankehitriny, Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay ka handraisanay tokoa ny  Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao Izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.

Fiangonana :      Amena, avia Fanahy Masina ! 

Mpitarika : Misaotra Anao izahay Ry Jeso Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay Ry Zanak’Andriamanitra  Lahy Tokana Mpamonjy anay ! Ankalazaina anie Hianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana. Ary izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin’ny latabatrao dia mangataka mba hampiraisonao Aminao, ohatrin’ny sampana amin’ny voaloboka.

Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay, ary aoka izahay hiara-manana amin’ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao, dia Hianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. 

Fiangonana : AMENA !

Teny Fanorenana sy Fanamasinana  (Mitsangana)

Mpitarika :  Jeso Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana Azy dia nandray ny mofo, ary rehefa  nisaotra Izy dia novakiany ka hoy Izy :

« Raiso, hano, ity ny Tenako izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. » 

Ary toy izany koa ny kapoaka rehefa nihinana, dia hoy Izy :

« Misotroa amin’ity hianareo rehetra, fa ity no rako dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan-keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »

Misaotra ny Ray, izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava. Amena.

Hira :    117 (Agnus Dei)

1. O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory, voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao,
Ka maty re ny ainao !
Mba iantrao izahay, ry Jeso !

3.O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao
Ka maty re ny ainao !
Ampiadanonao izahay re !

Mpitarika:  Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’Andriamanitra antsika isika, koa izany no hahafahantsika manatona ny Ray, hoe 

Fiangonana : (Vavaka nampianarin’ny Tompo)

FANASANA

Mpitarika :  Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny tenan’i Jeso Kristy Tompontsika. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Jeso Kristy  Tompontsika. Hoy ny Tompo : andeha, efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra !

FANDRAISANA:  F.F. 4, 181 (=203), 182 (feo =724), F.F. 34, F.F. 42 , F.F. 53 

TENY FAMPAHEREZANA (mitsangana)

Mpitarika :  Jeso Kristy Tompontsika izay voahombo tamin’ny hazo fijaliana ka nitsangana tamin’ny maty no efa nanome anareo ny tenany sy ny rany izay nanavotany anareo tamin’ny fahotana rehetra, Izy anie hampahery sy hiaro anareo amin’izany amin’ny finoana marina ho fahasambarana mandrakizay. Ho aminareo anie ny fiadanana ! 

Fiangonana : AMENA

HIRA:  266 (« Ry Jeso Tompo, Hianao »)

1. Ry Jeso Tompo, Ianao
Isaorako tokoa izao ;
Ny ranao sy ny tenanao
No nihinanako izao !

2. Ry foko faly ambarao
Ny soa azonao izao !
Jesosy monina ao am-po,
Endrey ny hafaliako !

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA

HIRA:  427 (« Ho vavolombelonao»)

1. Ho vavolombelonao
N’aiza n’aiza no aleha
Izay no faniriana vao
Sy hataoko rehareha.
Ka raha asa no atao
Inty tokoa fa vonona
(ho vonona aho)
Tsy hiala na handao,
Tompo ô, iraho aho!

2. Ho vaolombelonao
Eran-tany raha ilaina
Toy ny loharano vao
Izay mamelombelona aina.
Hanasoa ny tany hay
Efa mihamaina taho
(mihamaina)
Tompo ô, inty indray
Alefaso, vonona aho.

3. Ho vavolombelonao
Ao anaty fitsapana,
Ka hijoro ho Anao,
Na fefena, na raràna,
Tsy hiahotra ny dia :
Fa Hianao naniraka ahy
(naniraka ahy)
Tsy hiahotra aho satria
Amiko Hianao Mpitahy.

HAFATRA SY TSODRANO  

Mpitarika :  Ho aminareo anie ny Tompo.
Fiangonana : Ary ho amin’ny fanahinao.
Mpitarika :  Tsodrano 
Fiangonana:       AMENA ! AMENA ! AMENA ! HALELOIA !

(mipetraka ny Fiangonana)

VAVAKA MANGINA

Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena. Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo ! 
Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra ! 

FEON’ORGA FIRAVANA 

 

  FPMA

 Eglise Protestante Malgache en France. Paroisse de Paris


   Phone:   +33 06 01 72 13 89

   Siège:  47, rue de Clichy 75009 Paris 

   Lieu de culte:  Temple de la Rédemption 16 rue Chauchat 75009 Paris

ANNONCES PROJECTION

FPMA PARIS

PARIS NEWSLETTER

Inscrivez-vous si vous souhaitez recevoir nos newsletters

Paramétrages de cookies

×

Cookies fonctionnels

Ce site utilise des cookies pour assurer son bon fonctionnement et ne peuvent pas être désactivés de nos systèmes. Nous ne les utilisons pas à des fins publicitaires. Si ces cookies sont bloqués, certaines parties du site ne pourront pas fonctionner.

Mesure d'audience

Ce site utilise des cookies de mesure et d’analyse d’audience, tels que Google Analytics et Google Ads, afin d’évaluer et d’améliorer notre site internet.

Contenus interactifs

Ce site utilise des composants tiers, tels que NotAllowedScript647b29c14896cReCAPTCHA, Google NotAllowedScript647b29c148580Maps, MailChimp ou Calameo, qui peuvent déposer des cookies sur votre machine. Si vous décider de bloquer un composant, le contenu ne s’affichera pas

Session

Veuillez vous connecter pour voir vos activités!

Autres cookies

Ce site web utilise un certain nombre de cookies pour gérer, par exemple, les sessions utilisateurs.