Tuesday, 23, Dec, 1:06 AM
 

«Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.» ‭‭Jaona‬ ‭15‬:‭8‬ 


Asaina ny ray amandreny rehetra izay mikasa ny hanoratra anarana ireo zanany amin’ity taom-panabeazana vaovao Ity ho tonga hanatrika ny fivoriambe ara-potoana na handefa solotena iray isan-tokantrano hanotrona izany, tena fandraisana anjara lehibe eo @ fiainan’ny Sampana ny fahatongavan’ny tsirairay .

Ankoatr’ireo tatitra isan-karazany sy fampahafantarana mikasika ny taom-panabeazana vaovao, dia hanatanteraka ny fifidianana ho fanavaozana ireo Birao komitim-pivondronana teo aloha amin’io fotoana io.

Koa dia manantena ny fahatongavantsika maro ny alahady 14 septembre @ 2 ora sy sasany.

Ny toerana : 47 rue Camille Pelletan - Châtenay Malabry.

Antsoina ihany koa ireo tranainy sy sakaizan’ny Tily ho tonga amin’io fotoana io satria eo no hanolorana ireo Komity hisahana maharitra ny Sportil, sy ireo komity hifantoka @ fankalazana ny faha - 40 taonan’ny Sampana Tily ny taona 2027.
Mangataka sy manentana ireo izay te hiditra amin’izany komity izany hanatona mivantana ny tompon’andraikitra.
Misaotra antsika hahatsiaro am-bavaka sahady izany fotoana lehibe izany .
Ny Birao

FPMA PARIS


 Eglise Protestante Malgache en France, Paroisse de Paris.


   Phone:   +33 6 50 24 32 34

   Address:  Temple de la Rédemption 16, rue Chauchat 75009 Paris

   Email:  news@fpma-paris.org

NEWS FPMA

DIVERS SAMIHAFA

CONTACT FIFANDRAISANA