Sunday, 28, Apr, 2:52 PM

 ALAHADY 03 MARTSA 2024

Feon – java - maneno

FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO

 Salamo 19

 

Hira : 1 and. 1, 3, 4, 5 (‘Andriananahary masina indrindra’’)

1. Andriananahary masina indrindra!
Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
Mifamaly hoe : Masina indrindra
Andriananahary, Telo Izay Iray.

3. Zava-manana aina samy mankalaza
Sady manambara Anao Izay Tompony izao;
Hianao irery no mitahy azy,
Andriananahary, Telo Izay Iray.

4. Andriananahary feno hatsarana!
He ny fitahianao izay mpanomponao.
Tsara dia tsara ny omenao azy
Andriananahary, Telo Izay Iray.

5. Andriananahary masina indrindra!
Izahay mpanomponao ta-hankalaza Anao;
Feno fahendrena, feno fiantrana,
Andriananahary, Telo Izay Iray.

- Vavaka

- Feon – java - maneno fohy

SITRAPON’ ANDRIAMANITRA

Mpitarika : (Vavaka fifonana)
Fiangonana : « Ry Rainay be famindram-po ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ; sasao izahay ho afa-keloka ; ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo anao. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »

- Hira : Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesoa Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !

Mpitarika : (Teny famelan – keloka)
Fiangonana : AMEN

Mpitarika : Voninahitra Any Amin’ny Avo Indrindra Ho An’andriamanitra

Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.

- Hira :  537, and. 1, 4("Endrey, ny hamaroan’ny soa")

1. Endrey, ny hamaroan’ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.

Fiv : Eny, Raiko,
He! Ravoravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.

4. Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eny, Raiko, sns…

- Feon-java-maneno fohy

- Hira760, and. 1 sy 4 ("Aza mba manadino ny ray sy reninao")

 

1. Aza mba manadino ny ray sy reninao;
Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao;
Ka no aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
Aza mba manadino ny ray sy reninao;
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny ray sy reninay.

4. Aza mba manadino ny fivavahanao,
Ataovy isan’andro mba hamonjena anao;
Mpitondra, ray sy reny ny tany, tena koa,
Aza mba manadino ny fivavahanao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny fivavahanay.

Mpitarika : Ho aminareo anie Ny Tompo
Fiangonana : Ary ho amin’ny fanahinao

Mpitarika : Vavaka fitsilovana

- TESTAMENTA TALOHA  Exodosy 20 and. 1 - 17

1 [Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: 2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; 6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. 7 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. 8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. 9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. 12 Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. 13 Aza mamono olona. 14 Aza mijangajanga. 15 Aza mangalatra. 16 Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. 17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.


- EPISTILY   1- Korintiana 1 and. 22 - 25

22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa* mitady fahendrena, [* Gr. Grika] 23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa*, [* Gr. Grika] 24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa*, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra. [* Gr. Grika] 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.

- FILAZANTSARA:   Jaona 2 and. 13 - 25

13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. 14 Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo; 15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra; 16 dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. 17 Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9). 18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao? 19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy. 20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana? 21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy. 22 Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy. 23 Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. 24 Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra; 25 ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.

Fiangonana : Isaorana Anie Ny Tompo noho ny Filazantsara  !

FANEKEM-PINOANA

- Hira :  636, and. 1, 2, 3, 5, 7("Hianao ry Jeso ô”)   

1. Hianao ry Jeso ô,
No mba hatoninay,
:,:Tompon’ny aina:,:
Mba mihainoa ka avia !

2. Mba hampangino re
Ny ao anatinay,
:,:Tsy hisy renay:,:
Raha tsy feonao

3. Aoka izahay handray
Ny fanavaozanao,
:,:Ka mba hitovy:,:.
Toe-tsaina Aminao

5. Dia tafionao
Amin’ny herinao,
:,:Mba ho mpandresy:,:
izahay mpianatrao

7. Mba ho tanterakay
Izay tena anjaranay,
:,:Dia manomeza:,:
Fo miray Aminao !

T O R I T E N Y

- Feon-java maneno fohy

- Antoko Mpihira

- Filazan-draharaha

FANATERAM-BOKATRA

- Hira Antema 16, 307, 314, 437, 487, F.F. 34

Fanolorana :

Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an - tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao, Amena.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

- Hira : 262, and. 1 sy 4 ("Indreto izahay")

1. Indreto izahay,
Ry Jeso ô,
Manaraka izao
Ny hafatrao ;
Ny fahorianao
Tsaroanay izao
Fa fatratra tokoa
Ny nentinao !

4. Tarihonao ny fo,
Ry Jeso ô,
Ho tia sy hankatò
Ny didinao
Ka tsy ny sitrakay
Fa ny Anao, Jeso,
No aoka ho maminay,
Ry Tompo ô !

Mpitarika : Ho aminareo anie Ny Tompo ! Aoka hizara ny Fiadanana isika

Fiangonana : - HO AMINAO ANIE NY TOMPO !
- ARY HO AMINAO KOA

- SursumCorda (Mitsangana)

Mpitarika : Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
Fiangonana : Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
Mpitarika : Aoka hoderaintsika ny Tompo Andriamanitra
Fiangonana : Mendrika Hoderaina Izy

- Préface (Mitsangana)
Mpitarika : Eny tokoa Tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra, mety sy mahavonjy ny isaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’iJjesoa Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay ; amin’ny alalany koa no ideran’ny anjely ny fiandriananao sy itsaohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra anao amin’ny tahotra ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny anaranao amin’ny fihobiana ary izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay aminy, ka amin’ny fanajana lehibe no ideranay hoe :

- Hira : Antema 1 ( Sanctus)
Masina ! Masina ! Masina Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao izao rehetra izao ry Tompo ô ! Amena

- Vavaka ( Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse) (Mipetraka)
Mpitarika : Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’ i Jesoa Kristy Izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’ Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara - misaotra sy hivavaka :
Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindram-ponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Tahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.

Fiangonana : Efa maty Kristy, efa nitsangana Kristy ary ho avy amim-boninahitra.

Mpitarika : Noho izany ry Tompo, Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
Fiangonana : Amena, Avia Jesoa Tompo !

Mpitarika : Ankehitriny, Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay ka handraisanay tokoa ny Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao Izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.
Fiangonana : Amena, Avia Fanahy Masina !

Mpitarika : Misaotra anao izahay Ry Jesoa Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay Ry Zanak’Andriamanitra  Lahy Tokana Mpamonjy anay ! Hankalazaina anie Hianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana.
Ary izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin’ny latabatrao dia mangataka mba hampiraisonao Aminao, ohatrin’ny sampana amin’ny voaloboka. ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay, ary aoka izahay hiara-manana amin’ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao, dia Hianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Fiangonana : AMENA !

- Teny Fanorenana & Fanamasinana (Mitsangana)

Mpitarika : Jesoa Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana azy dia nandray ny mofo, ary rehefa nisaotra Izy dia novakiany ka hoy izy :
« Raiso, hano, ity ny Tenako izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
Ary toy izany koa ny kapoaka rehefa nihinana, dia hoy Izy :
« Misotroa amin’ity hianareo rehetra, fa ity no rako dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan - keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
Misaotra ny Ray, izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava. Amena.

Hira : 117 (Agnus Dei)
1. O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory, voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao,
Ka maty re ny ainao !
Mba iantrao izahay, ry Jeso !

3.O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao
Ka maty re ny ainao !
Ampiadanonao izahay re !

Mpitarika : Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’ andriamanitra antsika  isika, koa izany  no  hahafahantsika manatona ny  Ray hoe  : 

Fiangonana : (Vavaka nampianarin’ny Tompo) 

Mpitarika:   Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jesoa  Kristy Tompontsika. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny ran’ i Jesoa Kristy Tompontsika.

Hoy ny Tompo :  Andeha, efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra !

Fandraisana  :      20, 107, F.F.8, 119, F.F. 53, 170, 502, 642, F.F. 42    

Teny fampaherezana (mitsangana) 

Mpitarika :   Jesoa Kristy Tompontsika izay voahombo tamin’ny hazofijaliana ka nitsangana tamin’ny maty no efa nanome anareo ny Tenany sy ny Rany izay nanavotany anareo tamin’ny fahotana rehetra, Izy anie hampahery sy hiaro anareo amin’ izany amin’ny finoana marina ho fahasambarana mandrakizay. Ho aminareo  anie ny fiadanana ! 

Fiangonana :   Amena  

- Hira:   266 (« Ry Jesoa Tompo Hianao »)

1. Ry Jeso Tompo, Ianao
Isaorako tokoa izao ;
Ny ranao sy ny tenanao
No nihinanako izao !

2. Ry foko faly ambarao
Ny soa azonao izao !
Jesosy monina ao am-po,
Endrey ny hafaliako !  

Vavaka fisaorana & fangatahana 

Hira :    338   (“Arovy aho Tompo’’)

Arovy aho, Tompo,
Atolotro izao
Ny tenako hanompo
Sy hankalaza Anao !
Omeo ahy hery
Sy faharetam-po,
Arovy tsy ho very
Izay anjarako !

Mpitarika:   Ho aminareo anie ny Tompo.

Fiangonana:   Ary ho amin’ ny fanahinao. 

Mpitarika:   Tsodrano

Fiangonana:   Amena ! Amena ! Amena !  Haleloia ! 

(mipetraka ny Fiangonana)

VAVAKA MANGINA

Mpitarika:   Voninahitra ho an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary  Fanahy Masina  izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Mandehana amin’ ny  fiadanana, ka manompoa ny  Tompo !  

Fiangonana:   Isaorana anie Andriamanitra ! 

- Feon – java - maneno  firavana

 

FPMA PARIS


 Eglise Protestante Malgache en France, Paroisse de Paris.


   Phone:   +33 6 50 24 32 34

   Address:  Temple de la Rédemption 16, rue Chauchat 75009 Paris

   Email:  news@fpma-paris.org

NEWS FPMA

DIVERS SAMIHAFA

CONTACT FIFANDRAISANA