Saturday, 27, Apr, 10:37 PM

Ny voninahitr'i Kristy dia miseho amin'lzy miombona amin'izay ianjadian'ny fangirifiriana vokatry ny aretina sy ny tsi-fahasalamana mbamin'ny takaitra samihafa, ka nanaisotra ny aretina sy ny fahoriana niaraka taminy ary namerina ny fahasalaman'ny olona izay nanatona Azy:

Tao ny boka, ny paralytika (malemy tsy maha hetsika ny tena manontolo araka ny Mat 8:1 13), ny azon'ny fanahy maloto (demoniaka), ny voan'ny tazo mahery (na palu toy ny rafozam-bavin'i Simona Petera), ary ny marary sy ny demoniaka maro (araka ny Marka 1:21 - 35). Sady nazoto hanasitrana Jesosy no nanana koa ny hery sy ny fahefana hanao izany, araka ny teniny hoe: "mety Aho, madiova ianao" (Mt 8:3).

Amin'ny maha-fiangonam-pifohazana antsika dia miresaka betsaka sy matetika ny amin'ny fanasitranana isika, ary mivavaka ho an'ny namantsika mba ho sitrana amin'izay mahazo azy izy. Noho izany dia tsara ho fantarintsika bebe kokoa ny amin'ny fanasitranana ao amin'i Jesosy araka izay lazain'ny Soratra Masina.

Voalohany hita ao amin'ny Filazantsara fa tena manohina ny fon'i Jesosy sy mampihetsi-po Azy indrindra ny fahitana ny fahorian'ny olona noho ny fangirifiriana entin'ny aretina sy tsi-fahasalamana. Asehon'i Marka mazava tsara (1:40-42) izany fangorahan'i Jesosy izany raha mitantara ny resaka nifanaovan'i Jesosy tamin'ilay boka izy (Mat 8). Hoy ilay boka tamin'i Jesosy: "Raha mety ianao dia mahay manadio ahy". Hoy i Marka (1: 41), "Ary Jesosy dia onena azy'. Ny teny fototra nadika hoe "onena" dia izao: "niontana ny tsinainy', maneho fangorahana lalina vokatry ny fitiavana izany. Nefa tsy fangorahana ihany, tsy fitiavana eo imolotra ihany, fa tao aminy ny hery handresy ny fandravàna izay manimba ny voaharin'Andriamanitra, noforoniny ho tsara sy hiaina amin'ny fahasambarana eo anatrehany.

Koa tsy nisy narary nanatona Azy ka nolaviny, fa noraisiny avokoa. Jesosy tsy nanavakavaka, ara-pihaviana na jiosy na Samaritana na Jentilisa Romana. Jesosy tsy nanavaka arak'aretina, na ara-batana na ara-panahy na ara-pifandraisana. Ny tena zava-dehibe tsara ho tadidy, dia izao: Jesosy tsy mba nanontany ny antony namparary ny olona satria tsy mba mitsaratsara ny marary izy. Ny mpianatra no nanao izany. Ny nataon'i Jesosy dia ny namerina ny olona amin'ny laoniny, mba hiainany feno ny hasina maha-zanakAndriamanitra azy. Izany no isehoan'ny voninahitr'i Kristy mahagaga.

Faharoa, ny misionan'i Jesosy dia ny hitondra fanasitranana ho an'izao tontolo izao. Ao amin'ny Testamenata Taloha dia fotokevitra iray ihany no nihavían'ny famonjena sy ny fanasitranana. Ohatra eo amin'i Jeremia 17:14 dia ahitana ny hoe: "sitrano aho dia ho sitrana; vonjeo aho dia ho voavonjy". Teo amin'ny TT, ny fahasitranana amin'ny aretina dia endri-pamonjena satria ny rantsantanan' Andriamanitra no manatanteraka izany. Ary ny famonjena dia endri panasitranana, indrindra amin'ny lafiny ara-pifandraisana amin'Andriamanitra sy amin'ny samy olombelona. Arak'izay asehon'ny teny ao amin'ny
Jer 33:6-9, ny aretin-dratsy mahafaty mandrakizay raha tsy misy fanasitranana dia ny fahasimban'ny fifandraisana (relation) amin'Andriamanitra noho ny fahotana. Aretina ratsy sy stupide ny fahotana ary mandrava ny relation tsara indrindra izy. Marary azon'ny aretina mahafaty ny fianakaviana, fiaraha-monina, orinasa, fiangonana, firenena tratry ny fifandraisana marary. Ny fanasitranan'i Jesosy ny relation marary toy izany no antsointsika hoe famonjena. Hoy Jehovah tamin'ny taranak'i Joda: "Indro, ho tanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana, ...Ary hodioviko ho afaka amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko..." (Jer 33: 6-7)

Fahatelo, ao amin'ny Testamenta Vaovao no anambarana amintsika ny endrika roa amin'ny fanasitranana ao amin'i Kristy, dia ny fitsaboana sy ny fanasitranana. Samy avy amin'i Jesosy avokoa ireo. Ao amin'ny TV dia andrenesantsika fa misy olona voatsabo aretina, miverina ny fahasalamany, nefa tsy mahazo fahasitranana izy. Ohatra amin'izany ny ao amin'ny Lioka 17:11-19, ny amin'ireo boka 10 lahy. Samy nodiovin'ny tenin'i Jesosy avokoa izy 10 lahy, samy niafana ny habo-kany, nefa ny iray ihany no nahazo fanasitranana ka nilazan'i Jesosy hoe "Mitsangana, mandehana, ny finoanao no efa nahavonjy anao". Ny fanasitranana, izay midika ho famonjena -ary izany no tena zavatra, dia tsy azon'ireo 9 lahy, izay afapo fotsiny rehefa nadio tamin'ny habokany izy.

Asehon'ny TV koa fa misy izay tsy misinda ny aretiny na izay tsi-fahasalamana mahazo azy, mbola manaintaina sy mangirifiry ihany izy, nefa mahazo fahasitranana. Hitantsika ao amin'ny II Kor 12:7-10 izay lazain'I Paoly momba ny tenany. Nitaraina tamin'ny Tompo in-telo izy, mba hesorina ny tsilo tao amin'ny nofony. Nefa hoy ny Tompo:"Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin 'ny fahalemena". Natobak'i Kristy taminy ny herim-panasitranana nefa tsy niafana ny aretiny, saingy tsy nahasakana ny asa fitoriana nataony intsony izany tsilo tamin'ny nofony izany, fa vao mainka aza nahazoany hery hanatanteraka ny fanompoany.

Mbola ao amin'ny fanaintanana ihany ny olona nefa efa nahazo fanasitranana. Asan'i Jesosy izany ka mahagaga eo imasontsika. Sahirantsaina ny mpiandry tamin'ny andron'i Mama Nenilava, raha lazainy fa hositranin'I Jesosy ny marary iray, nefa ny ampitso dia maty ilay olona. Toy izany koa, manontany ny olona hoe: "moa ve tokony hatao ny mangataka fanasitranana ho an'ny olona efa eo am-bavahaonan'ny fahafatesana?" Sao maty izy ka mahakivy ny fianakaviana amin'ny fivavahana izany. Ny valinteny omen'i Mama ny olona nanontany azy ny amin'izany dia izao: "Eny tompoko, tokony hatao ny mangataka fanasitranana, fa na dia tsy miafana azy ny aretina, na dia ho faty aza ny marary, dia angatahina amin'i Jesosy ny hahazoany ny tena fanasitranana maharitra mandrakizay'". Izany no ambony indrindra.

Ry havana, Jesosy dia sady manala ny rofintsika, na inona izany na inona, no manolotra antsika koa fiainana vaovao sy mateza ho fanasitranana ity fiainana efa voaloton'ny fahafatesana ity. "Fa ity mety maty ity, hoy Paoly, tsy maintsy mitafy ny tsi-fahafatesana", (I Kor 15: 53b) izany no tena fanasitranana. Sady mitsabo ny aretintsika lzy no manasitrana ny fiainantsika koa.

Toy ny tafon-trano misy mitete, azo atao ny manao réparations madinidinika etsy sy eroa, nefa dia mitombo ihany ny mitete. Ny ilaina dia ny manova ny tafo manontolo ho vaovao. Izany no ataon'i Jesosy koa amintsika. Fiainana vaovao tanteraka avy amin'ny mandrakizay no anasitranany ny fanahintsika sy ny fiainantsika manontolo ka ahafahantsika manohy manompo sy manaraka Azy eto amin'izao fiainana izao, na miafana isika na tsia, na mahazo fahasalamana na tsia, na farofy na tomady. Teny indraimbava monja avy aminy dia ahazoantsika fanasitranana tanteraka. Izany no isehoan'ny voninahiny.

Koa toy ilay Kapiteny tany Kapernaomy (Mt 8: 5-13), dia aoka isika hatoky an’i Jesosy tanteraka na momba ny rofy samihafa mahazo antsika, na momba ny aretim-pahotana mandrotika ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa.

Koa amin'ny finoana aoka isika hibanjina an'i Jesosy izao, mijoro eo anilanao lzy mitondra ny herim-panasitranana. Ento eo aminy izay rehetra rofy mitambesatra aminao, na ny zanakao, na ny vadinao, na ny namanao; ireo olana ara-pifandraisana (relation marary) mandreraka anao, na eo amin'ny ankohonanao, na fiaraha-monina na amin'ny toeram-piasanao, na ny toeram-pianaranao. Antsoy ny Fanahy Masina hiombombavaka aminao hanolotra izany rehetra izany ho eo amin'i Jesosy.

Dr Peri Rasolondraibe
Mpampianatra Etika, (PhD. Princeton Theological Seminary & University, Princeton, N.J USA)

FPMA PARIS


 Eglise Protestante Malgache en France, Paroisse de Paris.


   Phone:   +33 6 50 24 32 34

   Address:  Temple de la Rédemption 16, rue Chauchat 75009 Paris

   Email:  news@fpma-paris.org

NEWS FPMA

DIVERS SAMIHAFA

CONTACT FIFANDRAISANA